Lesona 10 hatao ny 5 Septambra 2020 Ohatra aminireo tarika madinika Ny tarika madinika voalohany Ao aminny Testamenta Taloha Ao aminny Testamenta ID: 815975
Download The PPT/PDF document "FOMBA MAMPIENTANA HANDRAISANA ANJARA AMI..." is the property of its rightful owner. Permission is granted to download and print the materials on this web site for personal, non-commercial use only, and to display it on your personal computer provided you do not modify the materials and that you retain all copyright notices contained in the materials. By downloading content from our website, you accept the terms of this agreement.
Slide1
FOMBA MAMPIENTANA HANDRAISANA ANJARA AMIN'NY ASAN'ANDRIAMANITRA
Lesona
10
hatao
ny
5
Septambra
, 2020
Slide2Ohatra
amin'ireo
tarika madinika :Ny tarika madinika voalohanyAo amin'ny Testamenta TalohaAo amin'ny Testamenta VaovaoMandray anjara amin'ny tarika madinika:Fandaminana Fihetsehana
Misy fomba iray mampientanenta handraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny Fiangonana sy ny fitoriana ny Filazantsara: ny tarika madinika.Ara-Baiboly ny tarika madinika. Nofidin'Andriamanitra ny tarika madinika mba hampahatanjaka ny finoantsika, hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny Teniny, hampitombo ny fahazarantsika mivavaka ary hampianatra antsika hijoro vavolombelona.
Slide3NY TARIKA MADINIKA VOALOHANY
“
Ary
Andriamanitra nanao hoe: ‘Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika[…]’” (
Genesisy 1:26)Ireo persona telo an'Andriamanitra no nivondrona ho tarika madinika mialohan'ny namoronana izao tontolo izao. Ny tanjon'Izy ireo dia ny handrafitra sy hanatanteraka ny famoronana ny olombelona sy ny tontolo iainany.Namorona drafitra hafa mihitsy aza Izy ireo raha toa ka manapa-kevitra ny hiala amin'Andriamanitra ny
olombelona: Drafi-panavotana (1Pet. 1: 18-20; Mat 25:34; Apok. 13:8).
Ho hitantsika ny fivorian'ny tarika
madinika ho amin'ny tanjona iray na maromaro ao an-
tsaina. Raha ny momba an'Andriamanitra, ny fivoriana
voalohany dia famolavolana drafitra, ary manaraka dia
nifantoka tamin'ny fanatanterahana drafitra manokana.Ankoatr'izay
,
ny
tarika
madinika
rehetra
dia
tsy
maintsy
manao
tanjona
ny
fahazoana
fanahy
ho
an'ny
Fanjakan'ny
Lanitra
.
Slide4AO AMIN'NY TESTAMENTA TALOHA
“
Dia
nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka
azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.” (Eksodosy 18:25)Rehefa nivoaka avy tany Egypta ny Israely, dia nozarain'i Mosesy ho toby (araka ny foko) sy lay (araka ny fianakaviana). Taty aoriana, dia nanoso-kevitra ny hanitarana an'izany ho tarika madinika 1000, 100, 50 na 10 i Jetro.
Ny
tarika
madinika tsifolofolo dia notarihin'ny mpitarika
mahatoky iray. Ireny tarika madinika ireny dia
nisoroka olana isan-karazany sady nanampy tamin'ny fikolokoloana
ny
fiainana
ara-panahin'ny
olona
,
ary
nanorina
fifandraisana
akaiky
sy feno fitiavana… Izany ary mbola izany hatrany – no fomba mahomby ho an'ny fiaraha-miasa, ny fitomboana ara-panahy ary famahana olana.
Taty aoriana dia nanorina ny sekolin'ny mpaminany i Samoela. Nanaraka fandaminana sy tanjona mitovy tamin'izay napetrak'i Mosesy izy ireo (1Sam. 10:10; 2 Mpanj . 2:3).
Slide5AO AMIN'NY TESTAMENTA VAOVAO
“
Ary
tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly
sy tao an-trano izy.” (Asa 5:42)Jesosy no nanangana tarika madinika voalohany tao amin'ny Testamenta Vaovao tamin'ny nifidianana ny roa ambin'ny folo lahy.Nampianarina sy nampiofanina tamin'ny fomba azo ampiharina mivantana ny amin'ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavan'izy ireo izy ireo mba hahomby eo amin'ny fitoriana ny Filazantsara, sady hitombo ara-panahy.
Ny fon'ny
Fiangonana voalohany dia ireo tarika madinika
izay nivory tany an-tokantrano (Asa. 12:12; Rom. 16: 5; 1Kor 16:19; Kol. 4:15; Film. 2).
Nikarakara tarika mpanao asa fitoriana madinika
koa izy ireo. Nifanohana araky ny
fanandraman'ny tenany manokana izy ireo hanatanterahana
ny
iraka
.
Noho
ireo
tarika
ireo
dia
niely
haingana tamin'izao tontolo izao fantatra tamin'izany ny Filazantsara (Asa 15: 39-41; 20: 4; Rom . 15:19).
Slide6FANDAMINANA
“
Fa
Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena,
samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony. Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?” (1 Korintiana 12:18-19)
Ny tenan'olombelona dia vita amin'ny sela mivondrona
mba ho rantsam-batana na taova izay voalamina
hanaraka rafitra. Ny sela tsirairay avy dia manana
ny anjara asany eo amin'ny rantsam-batana tsirairay,
ny ratsam-batana tsirairay dia samy manana ny anjara
asany ao amin'ny rafitra, ary ny rafitra
tsirairay
dia
samy
manana
ny
anjara
asany
ao
amin'ny tena.
Mifandray ary miara-miasa am-pirindrana izy rehetra. Ny Fiangonana no tenan'i Kristy ary miasa amin'ny fomba toy
izany
.
Rehefa
ao
anatin'ny
tarika
madinika
ny
olona
iray, dia sarotra kokoa ny ho kivy ary mora kokoa ny fanatanterahana ny iraka ataontsika.
Ny tarika dia nalamina mba hahafahan'ny tsirairay hampiasa ny ankamaroan' ireo fanomezam-pahasoavany hanampiana ny tena hitombo sy hahatanteraka ny iraka.
Slide7FIHETSEHANA
“
Ary
rehefa fantany tsara izany, dia
nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao
.”
(Asa 12:12)Mampiasa
ny tarika madinika Andriamanitra mba hampitomboana ny
Fiangonana amin'ny alàlan'ny fikolokoloana ny finoan'ny mpino
sy ny fampianarana azy ireo ny fomba
hijoroany ho vavolombelona ho an'i Jesosy.Ny tanjona
voalohan'ny
tarika
tsirairay
dia
ny
fitarihana
ny
olona
ho eo amin'i Jesosy, na dia mety samy hanana ny fihetsehany aza ny tarika tsirairay arakaraka ny tanjony manokana. Ireto
misy ohatra vitsivitsy momba ny tanjona manokana:Mbola tsy tapitra io lisitra io. Ny fiangonana
tsirairay
dia
tsy
maintsy
mamolavola
tarika
madinika
tsara
indrindra, manana tanjona manokana arakarak'izay mampiavaka azy.
Slide8“Ny
fitahian'ny
Tompo dia ho amin'ireo mambran'ny fiangonana izay mandray
anjara amin'ny asa, mivondrona anaty tarika madinika isan'andro mba hivavaka ho amin'ny fahombiazany. Amin'izany dia hahazo fahasoavana ho
an'ny tenany
ny
mpino,
ary
handroso ny
asan'ny
Tompo
.
”
E.G.W. (Evangelism, p. 111)
“
Aoka
ny
tarika
madinika
hivory
hiara-handinika ny Soratra Masina
.
Tsy
hisy
na
inona
na
inona
ho
verinao
amin'izany
fa
hahazo be dia be ianao. Hanatrika ny fivorianareo ireo anjelin'Andriamanitra
, ary rehefa
mihinana
ny
Mofon'aina ianao
dia
hahazo hozatra
sy
nofo ara-panahy
. Ho
fahanana
amin'ny
ravin'ny
hazon'aina
ianao
, toy ny taloha. Amin'izany fomba izany ihany no hitazomanao ny fahatokianao.”
E.G.W. (This Day With God, 3
Janoary
)