/
NY FIHETSEHAMPON'I JESOSY MANOLOANA NY HAFA NY FIHETSEHAMPON'I JESOSY MANOLOANA NY HAFA

NY FIHETSEHAMPON'I JESOSY MANOLOANA NY HAFA - PowerPoint Presentation

aquaticle
aquaticle . @aquaticle
Follow
343 views
Uploaded On 2020-11-06

NY FIHETSEHAMPON'I JESOSY MANOLOANA NY HAFA - PPT Presentation

Lesona 9 hatao ny 29 Aogositra Mitady fo misokatra handray Manonona teny fiarahabana Manantitrantitra aminny zavatra tsara Manaiky olona Mampianatra ID: 816572

tsy amin ireo izy amin tsy izy ireo dia ary antsika jesosy izany azy izay olona isika noho koa

Share:

Link:

Embed:

Download Presentation from below link

Download The PPT/PDF document "NY FIHETSEHAMPON'I JESOSY MANOLOANA NY H..." is the property of its rightful owner. Permission is granted to download and print the materials on this web site for personal, non-commercial use only, and to display it on your personal computer provided you do not modify the materials and that you retain all copyright notices contained in the materials. By downloading content from our website, you accept the terms of this agreement.


Presentation Transcript

Slide1

NY FIHETSEHAMPON'I JESOSY MANOLOANA NY HAFA

Lesona

9

hatao

ny

29

Aogositra

Slide2

Mitady fo misokatra handray

Manonona

teny fiarahabanaManantitrantitra amin'ny zavatra tsaraManaiky olonaMampianatra am-pitiavana

Naneho fanajana tamin'ny olona rehetra nifandray taminy i Jesosy ary nitondra azy ireo araka ny fahamendrehana tokony ho azy. Nanana hery miasa mangina teo amin'izy ireo Izy, raha nitaona azy ireo ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.Afaka mianatra ny fomba nifandraisan'i Jesosy tamin'ny olona isika amin'ny fanarahana ny ohatra nasehony sy ny fampianaran'ireo apôstôly.

Ahoana no ananantsika ny toe-tsain'i Jesosy rehefa mitory ny Filazantsara?

Slide3

MITADY FO MISOKATRA HANDRAY

Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy

.” (Jaona 4:4)Matetika ny Jiosy dia nanaraka lalana hafa raha avy any Jerosalema ho any Galilia, mba tsy handalovany any Samaria. Koa nahoana i Jesosy no tsy maintsy namakivaky an'io faritra io?

Nanaraka fifampifangaroan'ny fahamarinana sy ny diso ny Samaritana. Izany no antony tsy namelana azy ireo hiara-hiasa tamin'ny Israelita tamin'ny fananganana ny Tempoly (Ezra 4:1-4).Nihevitra ny mpianatra

fa tsy ilaina akory ny mitory any amin'io

faritra mankahala io. Saingy, niasa tao am-

pon'ireo Samaritana tao Sykara ny Fanahy

Masina mba hahavonona azy ireo handray

ny

hafatra

.

Noho

izany

,

dia

nila

namboly ny fahamarinana tao i Jesosy. Vetivety foana dia nitondra ny voany voalohany io famafazana io, ary finjinjana be dia be taty aoriana (Jaona 4: 39-41; Asa8:5-25).

Slide4

MANONONA TENY FIARAHABANA

Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny

tenako hanamboarany Ahy halevina izy.” (Marka 14:8)Mifanohitra amin'izany, ny teny fiarahabana dia hampahery ny olona ary hanampy ny finoany hitombo.

Ao amin'ny Matio 15: 21-28, nisy vehivavy Kananita iray tonga teo amin'i Jesosy nanao fangatahana, ary tsy vonona ny handray "tsia" ho valiny izy. Noharabain'i Jesosy teo imason'ny mpianany

izy; hoy Izy taminy: "lehibe ny finoanao!”

Niarahaba an'i Maria koa

i Jesosy rehefa nahazo fanakianana mafy

izy noho ny zavatra nataony taminy: "

namonjy

nanosotra

ny

tenako

hanamboarany

Ahy

halevina izy." (Marka 14:8)Hanosika ny olona hanalavitra antsika ny fananana toetra masiaka sy fitiavana manakiana. Tsy te hihaino ny fijoroana ho vavolombelona

ataontsika

izy

ireo

.

Slide5

Tsy

maintsy

misaotra

an'Andriamanitra

mandrakariva

izahay

noho

ny

aminareo

ry

rahalahy

, fa

mahamendrika

izany

,

satria

mitombo

fatratra

ny

finoanareo

,

ary

be

ny

fifankatiavanareo rehetra.” (2 Tesaloniana 1:3)

MANANTITRANTITRA

AMIN'NY ZAVATRA TSARA

Nanoratra

ny

taratasiny

i

Paoly

mba

hampaherezana

sy

hanamafisana

orina

ireo

fiangonana

teo

an-

toerana

.

Indraindray

dia

voatery

nananatra

azy

ireo

izy

noho

ny

fahadisoana

nataony

,

saingy

navoitrany

foana

ireo

zavatra

tsara

tao

amin'izy

ireo

.

Zava-dehibe

ny

mamboly

fahazarana

mahita

ny

zavatra

tsara

amin'ny

olona

.

Amin'izany

fomba

izany

no

hanorenantsika

fatoram-pirahalahiana

lalina

ary

hitondrantsika

azy

ireo

akaiky

kokoa

an'i

Kristy.

Slide6

MANAIKY OLONA

Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy

anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra.” (Romana 15:7)Iza moa no mahalala tsara antsika noho i Kristy?Fantany ny zavatra tsara sy ratsy ao anatintsika. Na izany aza dia manaiky antsika ihany Izy, mamela ny fahotantsika ary mitia antsika.Tsy mendrika ny fanekeny isika kanefa manaiky antsika Izy noho ny hatsaram-panahiny.Tsy tokony hanaiky ny hafa

koa ve isika rehefa manaiky antsika Andriamanitra?Tsy maintsy manaiky ny hafa isika. Tsy hoe noho ny mahatsara na maharatsy azy, fa satria Kristy no efa nanaiky antsika voalohany (na dia isika aza no ratsy indrindra).Hambabo fo

sy hanova fiainan'ireo manodidina antsika ny

toe-tsaina manaiky ny hafa sy misy

fitiavana.

Slide7

MAMPIANATRA AM-PITIAVANA

fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary

aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana

.” (1 Petera 3:15)Ny fampianarana ny fahamarinana tsy am-pitiavana dia mitarika ho amin'ny fankatoavan-dalàna tsy misy fiainana ara-panahy tena izy na fandeferana tsy misy firaihana.Ny fampianarana ny fahamarinana am-pitiavana dia manintona ny fo ary mitarika ny olona hanana fifandraisana mahavonjy amin'i Jesosy.Tsy maintsy ho vonona hiaro izay inoantsika isika. Nefa,

tokony hanao izany amim-panetren-tena sy amin'ny fanajana

ary am-pitiavana mandrakariva.Asehoy amin'ny hafa ilay

fitiavana nasehon'i Kristy tamintsika.Mangataha ny Fanahy

Masina hitarika antsika ho any amin'ny olona manana fo mandray

.

Ary

,

hantitrantero

ireo

zavatra

tsara

hitantsika ao amin'izy ireo, raiso izy ireo nefa tsy mitsikera azy, ary ampianaro am-pitiavana izy.

Slide8

“Fony mbola tsy

tia

sy nanan-toetra tsy maha-te ho tia aza isika, ka sady

'hala no nifankahala,' ny Raintsika any an-danitra kosa efa namindra fo tamintsika [...] Raha raisintsika ny fitiavany, dia hahatonga antsika, ho mora fo sy malemy fanahy toy izany koa, tsy amin'ireo

izay mahafaly antsika ihany, fa amin'izay diso sy mania ary meloka indrindra aza […]Na dia ny mpanota aza, izay tsy dia mbola voahidy tanteraka ny fony

, ka mbola

azon'ny Fanahin'Andriamanitra idirana,

dia hamaly fitia

ny hamoram-panahy; tahaka

ny

amaliany

fankahalana

ny

fankahalana

no

amaliany fitiavana ny fitiavana koa. Fa ny Fanahin'Andriamanitra ihany

no

ahazoana

mamaly

fitia

ny

fankahalana

.

Ny

ho

malemy

fanahy

amin'ny tsy misaotra sy amin'ny ratsy, ny manao soa, nefa tsy manantena handray valiny akory, izay no famantarana ny fiandrianan'ny lanitra; izany no marika azo antoka izay anehoan'ny zanaky ny Avo indrindra ny toerana ambony ananany.”E.G.W. (Sambatra, tk. 3, p. 67)

Related Contents


Next Show more